Entrée | 1 Mba zovy kosa ho' aho? |
Partie du discours | 2 nom propre (titre de poème) [Liste complète] |
Mots élémentaires | 3 mba, zovy, kosa, aho |
Vocabulaire | 4 Littérature: poèmes |
Auteur |
5 Rajemisa-Raolison Régis |
Texte complet |
6 Mba zovy kosa, ho' aho, no afa-pahoriana 7 An-tanintsika eto natao toa hijaliana? 8 Ny eo tsy mbola lasa, ny sisa tamy ihany; 9 Indraika no mitsiky, impolo mitomany! 10 Mba zovy kosa, ho' aho, no afa-tsorisory 11 An-tanintsika eto ka lavo loha matory? 12 Ny eo tsy mbola lasa, ny hafa tonga kosa, 13 Ka sorisory lava no zary miavosa! 14 Mba zovy kosa, ho' aho, no afaka ahiahy 15 Ka miramiran-dava milamina fanahy? 16 Ny omaly mampisento, ny ampitso mampiteby, 17 Ka hany sisa hery miseho somebiseby! 18 Mba zovy kosa, ho' aho, no afa-tsentosento 19 Rah' mbola ka mandia 'ty fiainantsika eto? 20 Ny sasany tomany tsy raikitra fikasa, 21 Ny hafa mitoreo manembona ny lasa! 22 Rah' zany re no izy, angamba kosa lahy 23 Tsy eto an-tany eto no misy fifaliana, 24 Fa any an-koatra any, ka any ny Fanahy 25 No hangina samy irery tsy misy mpampangina! |
Mis à jour le 2025/09/13 |
![]() |